Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
blog de la lecture à l'amour, de l'amour à la lecture

lire, écrire, partager, réagir. Avec vous

Salamanga du groupe Oladad of Madagascar - paroles / lyrics

 

oladad1

 

SALAMANGA

Ny avaratra

Ny Atsimo

Ny Andrefa

Ny Atsinanana

Salamanga toy !

Salamanga hoya ho !

Salamanga

Mampalahelo ‘zao ny fiainana

Fa miova aby ny fisainana

Mampalahelo ‘zao ny fiainana

Tsy misy azo itarainana

        ‘Zah mahita ny fiainana isan’andro

        Tsy mifampiarahaba ny olona

        Mandram-pilentika masoandro

        Samy maka ho azy

        Tsy mifampiditra an-trano

        Ny fihavanana lasa rano

        Atao ambony ny fitadiavana

        ‘Zay ‘lay havana

        Fiaraha-monina

        Miainaaoanaty fiainana bordelika

        Hoatran’ny alika

        Izay ambony ihany nolelafina atao namana

        Vao manana vola aman-karena

        Adino ilay nofon-kena mitam-pihavanana

        Nefa samy mbola lena

        Tsy mifanaja

        Samy manao izay tiany atao

        Ny anay lasa ankilabao

        Mifangajageja etsy sy eroa

        Misy aza maty, maty lery

        Misy katry, katry lery

Dia miakatra fitsarana moramora

Dia vita moramora

Satria mandeha ‘lay tsolotra sy ‘lay vola

Tsisy intsony ‘lay fanjakana tan-dalàna

‘Zay manam-bola ihany no tompon’ny fahefana

Madinika mifitsaka

Atampon-doha vaohitsaka

        Mifamosavy ny mpianakavy

        Mifankahala ny mpiafanaraby

        Miantraika amin’ny firenena

        Manjaka koa ny fitiavan-tena

        Mivaona aby ny fitaizana

        Tsa voafehy koa ny kilonga

Vetivety dia mirongaronga

Eh ny fiainana

A i ô sarotra ny miaina

Io tsy vitan’ny mandeha ho azy

Fa mila misaina

Feno fitaka, feno lainga

Lalàm-piainana iainana

N’iza n’iza tsy itokisana

Na ny akama, na ny havana

Matetika io mazàna

Tsy faly amin’izay mahasoa

Na tsara na ratsy

Izay ataonao dia tsy mety

Lazainy foana fa tsy mety

Ny azy ihany no fantany

Izay hahatsaratsara ny fiainany

Mifanipaka anaty

A i ô toy ny valala an-karona

Izay tafarina indray izay no itsahina

        Zanaka mamaly

        Ray aman-dreny mijaly

        Ankehitriny tsy toy ny taloha

        Taraiky ialahy dia voa

        Hazakazaka arahin-tosika

        Raha vao mianjera ialahy itsahina

        Mila mitandrina foana

        Mila miezaka foana

        Fa izany ny zavatra hita sy iainana amin’izao

I ô mino ianao tsara

I ô tsy mino ianao dia ‘zay

Izany ny zavatra hita sy iainana amin’zao

 

Auteur / compositeur : Rasim, Oladad

 

Egalement :

 

Oladad of Madagascar : le renouveau de la musique à Madagascar ? (suite)

 

OLDAD of Madagascar / SOKAFY NY FETY – AFINDRAFINDRAO (lyrics/paroles)

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
D
<br /> C'est tellement vrai et tellement regrettable ...<br /> <br /> <br />
Répondre