Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

Publié par M Y R

kolo


Tontosa soa aman-tsara ny andiany fahasivy tamin'ny fifaninanana soratononina izay nokarakarain'ny Fikambanana Kolo, nahitana mpifaninana 60 mitsinjara tamin'ny sokajy telo :


* Sokajy voalohany : ireo izay miteny, mamaky ary manoratra ny teny malagasy tsotra ;


* Sokajy faharoa : ireo izay nianatra na mianatra ny teny malagasy toy ny teny vahiny ;


* Sokajy fahatelo : ankizy latsaky ny 13 taona


Arakaraky ireo sokajy tsirairay no nametrahana ny karazan'ireo lahatsoratra notononina, ohatra ny Sokajy voalohany sady lava no mampiasa voambolana voafantina, raha mitaha amin'ny Sokajy fahatelo izay hita ho tsotsotra sy fohy. (Araho ny rohy)


Maro ireo mpiara-miasa sy mpanohana nanatanterahina ny hetsika 2011 :


kolo1.JPG kolo2.JPG kolo3.JPG


kolo4.JPG kolo5 kolo6 kolo7.JPG kolo8.JPG kolo9.JPG kolo10.JPG kolo11.JPG kolo12 kolo13.JPG kolo14.JPG kolo15.png kolo16.JPG


Ny fanontaniana nipetraka voalohany tany aloha, fony mbola tsy nisy ny fikambanana dia hoe : "tsy hahay teny malagasy intsony ve izany ny ankizy any Frantsa?". Izay no nitarika ny fananganana ny Kolo, nihitatra tamin'ny fikarakarana ny sora-tononina, ary mbola mitohy ankehitriny.


Nanomboka ny taona 2002 ka hatramin'ny 2009 no nitondran'i Rakotoarivelo Jarisoa ny fikambanana, ary nodimbiasan'i Andrianarivony Mamy.

 

Maro ireo faritra any Frantsa izay maniry ny hisian'ny hetsika sora-tononina na koa efa manana ny fifaninana ho azy ireo manokana. Eny na dia efa misy aza ny fifaninanana isam-paritra (RNS, Nantes, Normandie ...), asa rahoviana no hisian'ny hetsika nasionaly ?


Misy ihany koa ny fanomezana toro hevitra ho an'ireo fikambanana hafa mila izany, toy ny Valiha - La Réunion.


Ankoatra ny fikarakarana ny soratononina dia misandrahaka amin'ny sehatra hafa ihany koa ny hetsika ataon'ny Kolo :


- fampahalalana mpanoratra tanora sy ny tokonkalo (Farango sosona, Tia ...),


- fampahafantarana ny ankizy malagasy monina any ampita ny kolontsaina iainany andafindriaka,


- fandraisana anjara amin'ny herinandron'ny teny malagasy ao amin'ny facebook,


- ny taona 2004 no nangataka ny fisokafan'ny fianarana teny malagasy ho an'ny lehibe ao amin'ny Institut National des Langues et Civilisations Orientales (INALCO).


Maro ny olo-malaza nanohana ny hetsika sady nanome hevitra hanatsarana hatrany ny Kolo : Rabetafika Ranjeva Yvette, Rabenoro Irène , Rado, Latimer Rangers, Andrianaivo RavelonaJean , Ranjeva Raymond... Midika ny fahamatoran'ny zavatra karakaraina izany.


2012 : mbola hisy ny fanavaozana sy fanatsarana, hozaraina sy holazaina amin'ireo mpakafy sy mpandàla ny teny malagasy.


Soratonon', hetsika niatomboka tamin'ny takalon-kevitr'ireo mpiray mihira sy mpinamana vitsivitsy, hanohanana sy hanapariahana ary hitazonana ny teny malagasy any Frantsa.


HaiKolo !

Commenter cet article

Aina 09/12/2011 20:18

Misaotra nizara ny rohy... nahaliana ny namaky ny matoan-dahatsoratra ary finaritra sy faly mahita izao fanapariahana izao.
Mankasitraka
Amin'ny anaran'ny Komity mpitsara
Aina Randrianaivosoa

M Y R 10/12/2011 07:19



Misaotra ! Rohi-kolo !



Jeanne Ralimahenintsoa 09/12/2011 14:50

Andrianiko ny TENIKO , ny an'ny hafa koa feheziko !

M Y R 09/12/2011 16:07



Malagasy aho, Malagasy ianao, Malagasy ny teniko, Malagasy ny taniko, Malagasy hiraiko, Malagasy lalaiko !