Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
blog de la lecture à l'amour, de l'amour à la lecture

lire, écrire, partager, réagir. Avec vous

Samuel Kalo Fitahiana, 12 octobre 2011

 

kalo.JPG


Sambasamba sendrasendra sombin'

Aina. Ianao ilay nosafidy, niafiana sy nijalian'i

Mama ; Androm-pifaliana sy firavoana

(Unique), kanefa tsy hay hadinoina,

Eto isika manombok'izao

Làlan'iray no voasoritra ho anao


Kalo sy hira, hoby sy hehy,

Atolotray mandray anao ;

Lafatr'izao rehetr'izao noho ianao,

Orim-bato tokana, andry mafy orina !


Fihetanam-po sesehena

Iraisanay fianakaviana manotrona ;

Toy ny tsy nisy ireo sentonsento nandalo

Afaka izay kasokasoka niserana.

Ho tonga ny fifaliana sy ny haravoana

Ianao ry Kalo no masoandro lohataona !

Anatin'i Dada sy i Neny.

Nomena hery vao ny tontolo,

Ampitso ho fotoan-tsiky ny antsika


by M Y R, 18/10/2011

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article