14 Janvier 2011
MANDROSO ! MANDROSOA !
Raha sendra ny mafy sy izay tsy zakan'ny saina, mandroso !
Misedra tokoa tsy mihemotra, mijoro mafy, mandrosoa !
Tsy afa-miverina, mitodiki'ivoho, mandroso !
Tsy maintsy mitraka miatrik'izay ho avy, mandrosoa !
Kivy ve ? Trotraka ve ? Mandroso !
Potraka ! Mianjera ! lavo ! Mitsangana, mandrosoa !
Miferin'aina sy miroroa saina, mandroso !
Mitady izay azo atolotr'ireto menaky ny aina, mandrosoa !
Lalan-tokana tsy maintsy diavina, mandroso !
Aina tokana enti-mihoatr'izato ezaka, mandrosoa !
Fo mahery tsy ankiato mitempo, mandroso !
Nahoana no hitaraina, na ovina tsy hiondrika, mandrosoa !
Herezo r'ilay Ahy, mandroso !
Tazano f'indro efa zavo-nisinda sy maraim-pijinjana, roso !
14/01/2011 de M Y R