Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

Publié par M Y R

" Ny ankoholahy mpamoha ahy isa-maraina dia vehivavy mpatsaka. " (p.3) ... Ny akoholahy mpamoha ahy maraina dia feo mangerarera. " (p . 75)

Ny fehezan-teny anakiroa manokatra sy manakantona ny tantara, ny fiatombohany sy ny fiafarany. Fiainan'olona iray no tantaraina, lehilahy vao erotrerony, feno tanjaka sy mavitrika misedra ny fiainana. Na ny anarana nisaloran'ilay tovolahy (Tsiry) izay mpandray anjara fototra ao amin'ny Vakivakim-piainana, dia maneho sahady ny hofizotry ny tantara.

Tantara noforonin'Andriamangatiana hisaintsainana raha dinihina, tsikaritra avy hatrany fa i Tsiry foana no miteny sy mitantara amin'nyf ampiasana ny mpisolo-tena " izaho " na " ahy ", ary tsapa ihany koa rehefa mampiasa fehezan-teny tsotra sy mivantana ao anatin'ny tantara.

Ankoatra ny hoe tantaram-piainana'olona iray nijaly no hitanao anaty Vakivakim-piainana, dia azo lazaina ny fahaizan'Andriamangatiana ny mampirindra tsara ny fizotry ny lafim-piainana tao.

Efa voafaritra ny hijaly tokoa ve ny olona iray raha vao mitsiry sy latsaka eto an-tany, ka na dia manao ezaka mafy ny hivoatra sy hitroatra aza dia tratry " ny ady tsy fiady " (p. 42) sy " ratsy vintana " (p.28). Misy ve any ambadika any nametra fa n'inon'inona atao dia mitovy hatrany ny vokatra : fijaliana sy fahoriana ary fahantrana no mangeja.

Andriamangatiana, raha nanoratra dia hita fa nikajy sy nametraka ireo voambolana vitsy mpampiasa nefa dia milaza sy mitondra ny hakanton'ny teny malagasy : " kasy dia kasy " (p.14), " tomika " (p. 64), " volon-kotona " (p. 32), sns ...

Maro ny trangam-piainana mifanjohy ao anatin'ny Vakivakim-piainana, samy voaresaka ao daholo na koa azo an-taina ny rohiny : fahantrana sy harena, alahelo sy fifaliana, fihamboniana sy fitrotrongiana. Mibaribary teo ny toetry ny fiaraha-monina.

Fiaraha-monia toy ny inona no misy ? Azo tarafina avyhatrany amin'ny fiverenan'ny teny " tsikalakalana ", lohateny mampizara ny lahatsoratra anaty boky : " fihavanana ", " fitia ", " vola " ary " olona ".

Ny fototry ny fisainana malagasy manontolo no miseho . Ary saiky lasa nivadika mihintsy aza : " aleoko very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola " (p.16).

Fa nisy inona no nampiova ny fisainana ?

Nefa na izany aza misy hatrany ireo olona mitandro sy mifikitra ary mametraka ho ambony ny fikajiana ny fiaraha-monina hirindra eo amin'ny samy malagasy raha " nahaonan'ny fitadiavana ka tsy mety ho motraka ny endrika " (p. 25). Ireo izay mikatsaka ny fisian'ny fitoniana anty fiainana.

Ny fisarahan sy fifandaozana eo amin'ny olona hatrany no mampiova ihany koa ny fizarana ho efatra ny Vakivakim-piainana. Fizarazarana izay mitondra an'i Tsiry hamakivaky sy hiroso amin'ny fiainana, hahita izay ampitso vaovao nefa toy ny volana-kakafotra : " ny ngetroka tsy hanvotra an'ialahy maimai-poana, fa ao raha " (p .60 - 61), araka ny fampitandremana nataon'ny namany an'i Tsiry.

Miisa 11 ny olona nataon'i Andriamangatiasan handray anjara mifanerasera amin'ny Tsiry. Ireo olona ireo dia samy manana ny maha-izy avy ka mampizotra tsara ny Vakivakim-piainana. Ao ny mandrafy an'i Tsiry, ao ireo namany sy mpanampy azy. Ary ao ihany koa ireo izay natao hiserana sy haingon-tantara.

Vakivakim-piakinana, mampiseho loha-hevitra maro, mivoitra sy manaitra : fitiavana, fifandraisan'ny tsirairay, ny tontolo iainana manodidina ... Samy voafehin'i Andriamangatiana daholo ny fomba nanoratana sy nanehoana izany. Voasarika hanaraka ny sora-tànan'i Andriamangatiana ianao. Mivoitra sy azo tsapain-tànana fa talenta tsara no mitondra ny sain'ny mpamaky.

Nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny HAVATSA/UPEM ny taona 1995 ny boky Vakivakim-piainana.

Tafiditra amin'ny fandaharam-pianaran'ny mpianatra ny boky Vakivakim-piainana.

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :

Commenter cet article

bolo 19/03/2017 04:59

hira vakivakim-piainana

Randriamasy Jean 15/03/2017 05:51

je besoin de ton aide!

Lio Nas 01/12/2016 07:28

kanto loatra manko
ka tsy afa-po aho raha tsy namaky fanin-droa...

Lio Nas 01/12/2016 07:24

mankasitraka...

tsiadino 19/09/2016 12:17

milay io tantara io ka. tena fiainana mintsy!! za zao in 3 namak anio mbl tsy leo