13 Février 2014
Nandritra ny fotoana niainany rehetra dia natokany ho an'ny asa soratra sy ny tantara amin'ny radio. Tsy misy tsy mahalala ny feony rehefa miteny amin'ny radio izy, ary hatramin'ny izao ankehitriny izao mbola maheno foana ireo tantara tsangana izay mandeha nandraisany anjara.
Ohatran'izay no tena nahafantarako azy voalohany, ary tsy nampoiziko ny nifanena taminy teo amin'ny toerana fiasako : sady variana aho no talanjona ary ihany koa sadaikatra. Indro lehilahy tomady sy tsotra fihetsika, sady nanana ilay feo faheno !
Niampy ny fijeriny somary mivantana izay, aoka fotsiny fa tonga dia babo avy hatrany ianao. Somary malefaka nefa milaza zavatra lalina sy maro.
Avy teo dia nifanerasara sady mpiara-monina ihany koa moa. Nitombo ny fifankahalalana. Teo vao fantatro fa mpampianatra ny taranja filozofia i Solofo José.
Nitombo ny fahafantarana : RAKOTOSOLOFO Joseph no tena anarany, ary teraka ny taona 1947 izy.
Isan'ireo nanangana ny Faribolana Sandratra i Solofo José, ary teo amin'io sehatra io izy no tena nandany ny androm-piainany.
Tsy miala eo amin'ny tarehiniy ny fitsikiana sy ny hanihany. Indraindray aho dia sadaikatra rehefa miteny mivantana amin'ny namany mpikambana amin'ny Sandratra i Solofo José : fahamatorana sy vazivazy. izay tena miampita sy mipaka amin'ny ankizy tokoa.
Sahirana aho manoratra izay tiako hambara satria tsy ampy hitenanako ny momba azy izay kely hany fantatro mikasika an'i Solofo José. Hotohizako hatrany izay fantatro hamenoako sy hilazako fa dia OLO-MALAZA sy OLOMANGA i Solofo José.
Ny tenany no lasa fa ny asany kosa mitoetra sy hotadidy hatrany.
Ary indrindra indrindra mbola hisy ireo 25 taona hoavy izay napetrany ho an'ny mpiangaly ny tononkalo. Ary ny hatsaram-pamoronana rehetra ihany koa.