Ny teny toy ny atody ka raha foy manan'elatra
Voahangy raraka, ka manao soa ny eo am-potony.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
Ny saikitra aza manantena ho lahy, koa mainka fa ny lahy rahateo.
Toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana.
Na mahay mandrasa aza ianao, ny hoditra tsy azo ampombaina ny atiny.
Toy ny rano am-pasika : atao tsy hisy, fa misy ihany.
Varotra amponga an-tanàna : sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka indray no ampinonoina ?
Taloha ny varavarana no an-dahiny, fa ankehitriny no an-tsavily.
Ny saina toy ny havitra : koa raha tsotra loatra, tsy mitondra ; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina.
Ny trebitrebiky gny rano ka regniko, fa gny aomby nihanagn'alina tsy hitako.
Salasala toa zaza tsy an-tranon-dreny : tsy manoza tànana, zaza veta ; manoza tànana, mandany rano.
Lamban'Ikaladedaka : kirobo ravina, venty am-pantaka, roanambatry vita.
Anantsongan'Ilambo, poti-kenan'Ikalamanana : somin-dro fa tsy hita ventiny.
Mandrohy moka, mamatotra aloy : hary tongotra aman-tanana, kanefa tsy misy tena hodidiana.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anaty toa tsoka.
Aza manao masoandro ririnina, ka manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohantaona, ka tsy manam-pahasosorana.
Mahazaka tokana an-tanàna : sady henjanin'ny omby no sintonin'ny olona.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo : ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'ny olona an'Ikoto koa.
Vilanibe nantaoana : ka na dia vaky sy torotoro aza, aza arian-davitra loatra, fa namela soa ho anareo izy.
Mihazakazaka tsy mahafeno harona, tsy mahaleo ny miadana ambininy.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
Matavy omby va, sa maranitra antsy, no mihomehy olona ?
Aza matahotra tanan-kiepaka ka manolotra ny vozon-kavesa-by.
Toy ny mason'ny mpandrary : mijery ny an-kazony, mandinika ny an-dalan-drambony.
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana.
Ny angady no asesiky ny zarany, ny rano atosiky ny vato, fa ny olombelona entanin'ny fahendreny.
Aza mitaraina tana-miepaka.
Miantso andoharano, manao izay tsy hifandrenesana.
Aza hadino ny zaton-kaja fanome sy ny fitia fitondra ho an-dreny.
Ny tenin'ny mpisampina tsy inoan'ny mpisikina ; ny tenin'ny mpijery tsy inoan'ny mpanao ; ary ny tenin'ny kamo tsy inoan'ny mazoto.
Faly raha tonga ny rano fanàla ny kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina.
Aza manao kitapo amelana lolom-po na hadivory asiana ny fitaka.
Vatokely antsisin-dalana,tsy miandry anao hitodika fa miantso anao hitandrina famindra.
Mitsanga-kamiratra tahaka ny lahinjiro.
Aza manao rano-trambo, be fiavy fa vetivety dia lefy.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny tanin'andro.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
Aza manao variraiventy maniho ariary.
Manehi-drano : arakaraka an-tàgnana ; manehim-pagnahy : fagnahy zahana.
Ny tapia tsy miakatr'Imerina ; ny amberivatry tsy midin'Imamo.